SOMBIM-BAOVAO

Taorian’ny kianja Rabemananjara Boeny, nasiana fanamboarana sy fanatsarana indray izao ny kianjan’Ampasambazaha Fianarantsoa. Nanomboka ny talata lasa teo ny asa tany an-toerana. Raha ny vaovao voaray, hisy ny fanoloana ny bozaka “synthétique” ary ho ravahana loko ny manodidina.
Ratsimbazafy Manda Hasina na Bota, Malagasy mpiandry harato, baolina kitra, nifindra any amin’ny ekipan’ny CSM Puteaux France. Maharitra iray taona ny fifanarahan’ny roa tonta. Tsiahivina fa efa nilalao tao amin’ny klioban’ny Ajesaia Bongolava izy ary anisan’ireo nahazo ny amboaran’ny filoha 2023, niaraka tamin’Antananarivo.
Angel Di Maria, Arzantinina mpilalao baolina kitra. Nilaza ny tsy hilalao amin’ny ekipa nasionaly Argentine intsony ny tenany aorian’ny “Copa America”. Marihina fa anisan’ireo lohalaharana nitondra avo ny ekipam-pirenena Argentine i Di Maria. Ao amin’ny Benifica Lisbone Portugal izy no milalao ankehitriny.
Noho ny raharaha fampihorohoroana nisy nandritra ny fihaonan’i Suede sy i Bélgique, voatery naato ny fihaonan’ny roa tonta. Araka izany, tsy navelan’izy ireo nivoaka tao amin’ny kianjan’ny Stade Benois, Belgique ireo mpijery. Marihina fa ny talata lasa teo ity zava-nitranga ity ary nisy Suedois roa maty vokatry ny fifampitifirana nisy tany an-toerana.

Partager sur: