Taksiborosy sy kamiao nifandona : maty tsy tra-drano ny mpamily iray

Nifandona ny fiara mpitatitra olona sy ny kamiao lehibe iray, omaly, teny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Vokany, olona roa namoy ny ainy ka mpamily ny iray.

Nifatratra tamin’ny kami­ao­be nifanoha-dalana taminy ny taksiborosy iray tao Ikianja, kaominina Ilaka Centre, eny amin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly tolakandro. “Niainga tao Ambositra nikasa hihazo an’i Sambava ilay fiara fitateram-bahoaka. Ho any Manakara ilay kamiao”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria ao Ilaka Centre. Nifandona tampoka tao anatin’ny segondra vitsy anefa ny fiara roa tonta. Vokany, nipitika noho ny dona mafy ilay taksiborosy. “Niva­dika nihanatsimo mihitsy ny lohan’ny fiara”, hoy ny fanazavan’ny zandary kaomandin’ny vondron-tobim-paritra ao Ilaka Centre. Tafavoaka ny arabe ilay kamiao mpitatitra entana. Maty tsy tra-drano ny mpamily ilay taksiborosy. Namoy ny ainy koa ny vehivavy iray anisan’ireo mpandeha niaraka taminy.

Zaza telo naratra
Nahatratra 18 ny mpandeha naratra tao anatin’ny taksiborosy niharan-doza tao Ilaka Centre. “Zaza avokoa ny telo amin’izy ireo”, hoy ny zandarimaria misahana ny fanadihadiana. Efa nentina nihazo ny toeram-pitsaboana akaiky avo­koa ny naratra. Nampi­akarina nihazo ny hopitaly lehibe izay tena voa mafy nandritra ny fifandonana. Notsin­drin’ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana fa mila manaja hatrany ny hafainganam-pandeha eny amin’ny lalam-pirenena ny mpamily tsirairay. Tanjona ny hisorohana ny loza tahaka ity niseho omaly ity.

Tsiferana R.

Partager sur: