Dahalo iray tamin’ireo folo lahy nanafika tao amin’ny fokontany Andaro, Isoanala, maty voatifitry ny mpitandro filaminana afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Nikasa hanafika tokantrano iray tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy no naharay antso ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana ka lavo ny iray tamin’ny dahalo.
Mpangarom-paosy iray nanararaotra nanao ny asa ratsiny kinanjo tratran’ny fokonolona teny Tanjombato, nandritra ny hetsik’ireo kandidà 11, omaly. Nisy nahatsikaritra ny fihetsik’io lehilahy io ka nosamborin’ny mpitandro filaminana avy hatrany izy. Tsy afa-nandositra sady natahotra fitsaram-bahoaka ilay mpanendaka ka nentin’ny polisy nihazo ny biraony.
Roa lahy mpanao halaboty tratran’ny zandary tao Merimandroso , afakomaly. Nangalatra vatoaratra sy “convertisseur” iray tao amin’ny tokantrano anatin’ny fokontany Manankasina, kaominina Merimandroso izy mirahalahy ireto, ny 12 oktobra teo. Nokarohina ka voasambotra fito andro taorian’ny asa ratsiny.
Nirehitra tampoka ka tsy nisy noraisina ny kodiarandroa iray tetsy Ankadifotsy, boriborintany fahatelo, omaly. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa niezaka namono ny afo ny nanatri-maso. Indrisy, may tanteraka ilay moto.