Trano roa no tratra nangalatra jiron’ny Jirama, tamin’ity herinandro ity. Toeram-pisakafoana eny Ambanidia ny voalohany, ary hotely lehibe eny Manjakaray Anjanahary ny faharoa. Manentana ny rehetra ny Jirama, hampandre ny laharana maitso 547, raha misy mahita na mahalala fandikan-dalàna toy izao, izay mijanona ho tsiambaratelo ny momba azy.
Natao ny 17 oktobra teo ny atrikasa mikasika ny miralenta. Nandray anjara tamin’izany ny tomponandraikitra samihafa ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy sy ny rantsa-mangaikany. Tanjona ny hitovian’ny fahalalan’ny tomponandraikitra, sady mba hisian’ny ara-drariny sy ny fitoviana, indrindra ny tontolon’ny lalàna.
Misanda 4 738 Ar ny 1 euro, omaly 18 oktobra, raha 4 511 Ar ny 1 dolara. Nidina kely io lanjan’ny vola Ariary io, izany hoe, nahazo aina kely, raha oharina ny tamin’ny iray volana lasa. Satria nanodidina ny 4 800 Ar ny 1 euro ny 18 septambra teo. Nitombo kosa ny lanjan’ny dolara, satria 4 500 Ar tamin’io fotoana io.
Mitohy ny hafanana manevokevoka ato anatin’ny telo andro. Mahatratra 2,5µm ny tahan’ny rivotra, izay avo telo heny amin’ny fenitry ny OMS. Manentana ny rehetra ny minisiteran’ny Tontolo iainana tsy hiseho loatra amin’ny masoandro, indrindra ny zokiolona sy ireo manana olana amin’ny fisefoana.