Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), manomboka rahampitso hatramin’ny 31 oktobra 2023, ny « Festival des livres « Thrillers » andiany faharoa. « Les monstres littéraires » no lohahevitra noraisina amin’izany. Hetsika lehibe hanehoana ireo haikanto maro samihafa mampatahotra. Anisan’izany ny rantin-tsary, teatra, lalao sy fifaninanana, atrikasa ary fihaonana sy fifampizarana. Tanjona ny hametrahana itony karazana sy sokajina haikanto itony amin’ny toerana tokony hisy azy.
Hiavaka kely ny hetsika “Festival des livres “Thrillers”. Raha tsiahivina, miditra amin’ ny andiany faharoa amin’ity taona ity izy io. Araka ny namoronana azy tany amboalohany, hita mandritra izany ny rantin-tsary hanehoana ireo mpilalao sy seho an-tsehatra somary nampatahotra tao anatin’ireny tantara an-tsary ireny. Anisan’ny ho hita ao ihany koa ny teatra “Tonokira fanajana ny maty”, nosoratan’i Avelo Nidor, sy ny “Le mystère d’octobre”, iarahana amin’ireo sangany avy amin’ny CNTF. Ho hita mandritra ny hetsika ihany koa ny lalao “Trimobe”. Hisy ihany koa ny fifaninanana “Questions pour un lecteur”, natokana ho an’ny mpamaky boky “Stephen King”. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny atrikasa fanaovana sary sy famoronana.
Lin