Atrikasa vaky boky: hitondra ny traikefany i Arikaomisa Randria

Tanterahina eny amin’ny Tranomboky monisipalin’ny boroborintany fahatelo, eny Antaninandro, ny atrikasa momba ny boky, karakarain’ny Kaominaina Antananarivo Renivohitra (CUA), amin’ny alalan’ny DACVC, ao anatin’ny hetsika « Ca­ravan’iles 2023 ». Arikaomisa Randria no hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany amin’ity anio ity. Hitondra ny haikantony sy hanome fahalalana ireo ankizy mahakasika ny haikanto sy ny literatiora. Tanjon’ny hetsika ny hitaizana ny ankizy ao anatin’ny haikanto. Eo ihany koa ny hamerenana ny hasin’izany haikanto sy literatiora izany.
Anjaran’i Arikaomisa Randria indray no hitarika ny atrikasa, ho an’ny eny amin’ny boriborintany fahatelo, anio. Hita mandritra ity atrikasa ity ny velankevitra, tari-dalana, torohevitra ary fifampizarana, avy amin’ity mpahay kanto manana ny maha izy azy ity. Raha tsiahivina, ao anatin’ny ezaky ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, amin’ny fampiroboroboana ny haikanto sy ny kolontsaina izao hetsika izao.

Lin

Partager sur: