Basikety-Heritiana Mickael : hanohy fianarana sy basikety any Etazonia

Tsy mitsahatra misondrotra hatrany ireo Malagasy mpilalao, eo amin’ny taranja basikety. Taorian-dRabibisoa Jer­ry Pépin, anjaran’i Heritiana Fabrizio Mickael na i Micka­kely indray izao no hisidina any ivelany. Hanohy ny fianarany any Etazonia ity Mala­gasy mbola tanora ity ary hanohy hilalao ny basikety ihany koa. Ao amin’ny Dow­ney Christian School ao Flo­ride Etazonia, izy no hitrandraka izany taranja nankafiziny hatramin’ny fahakeliny izany. Efa fanirian’i Micka hatramin’izay ny hitondra ny fahaizany ny basikety manerana izao tontolo izao. Efa noporofoiny izany, tamin’ireny fiadiana ny amboara eran-tany U19 sy fifaninanana Afrobasket U18 ireny ary izao hitohy amin’ny filalaovany any Etazonia izao. Ny fandaraharanasa “More Than Basketball Madagascar”, izay mpiara-miombona antoka amin’ny federasiona malagasin’ny ba­sikety, no nahafahan’i Micka nanatanteraka izao nofinofiny izao, araka ny nambarany.
Raha hiverenana ny lalana nizoran’i Mickael, nilalao basikety tao amin’ny Sekolin’ny Basket-ball EBF tao Fiana­rantsoa izy. Tao no nianarany sy nanombohany ity taranja ity. Teo amin’ny 7 taona teo izy no tao amin’ity klioba ity ary tao ihany koa ny nahavoatsonga azy ho ao anatin’ny ekipa nasionaly, nisolotena an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro. Nanana ny toerany izy tao amin’ny ekipa nasionaly ary saika tafiditra tao anatin’ny mpilalao “5 majeurs” hatrany nandritra ireny Afrobasket sy “World Cup” natrehan’ny Ankoay ireny.

Mi.Raz

Partager sur: