« Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza”, hoy ny ohabolana malagasy. Eo amin’ny lamina voajanahary indray: “izay ananana ihany no omena”. Nisy nitazona ary ve ny fahendrena malagasy?
Ny zaza malagasy, tsy manaja mpampianatra. Ny tanora, manivaiva raiamandreny. Ny olon-dehibe, tsy mifanome hasina, sns. Ka izay ananany ihany ange no omeny e! Matoa tsy afa-manolotra haja amam-boninahitra, tsy manana izy izay. Matoa manivaiva sy tsy manome hasina, ireo no ananany amby ampy ka omeny ny mpiara-monina.
Nanary ny haja amam-boninahiny ny Malagasy ka tsy manana ny hatolotra. Tsy afaka mizara intsony. Efa tsy manana fahendrena sy fahalalam-pomba ny raiamandreny sasany matoa tsy nanan-kampitaina amin’ny taranany. Ireo heverina fa fahendrena faran’izay kely aza, tsy ananan’ny Malagasy sasany intsony.
… Nampahantra tena ny Malagasy? Nanjary tsy nanan-komena amin’ny fahendrena, fanajana, fahalalam-pomba, sns. Nanary, tsy nahatazona, tsy nampita. Nisy ny teo an-tanana fa very sy nalevina. Lasa vakoka sy rakitry ny ela mahavariana ny aty aoriana sisa izy ireny fa tsy niainana intsony. Nanjary firenena poakaty i Madagasikara sy ny Malagasy. Mindrana ny an’ny firenen-kafa mba hamenoana ny banga. Tsy nijanona hatreo amin’ny findramana anefa fa mpanao indran-draikitra. Tsy mamerina!
Ilay hatolotra mihitsy no mbola karohina
Firy amin’ny ankizy ankehitriny, ohatra, no mahay milalao fanorona, katro, soamiditra, marakely, sns. Tsy hain’ny taranaka ankehitriny intsony ny milalao ireny, satria, tsy nanana fahalalana momba azy ireo hampitaina ny raiamandreny.
Nanjary manam-be amin-java-nindramina ny Malagasy. Poa toa izay, efa samy miborotsaka pataloha sy mitondra kavina, mandoko volo, sns, ny ankizy sy ny tovolahy malagasy. Mampiseho tratra sy vatam-pe ny zazavavy. Manao tsinontsinona ny zokiolona ny tanora be diplaoma. Mihevitra ny vahoaka ho bado ny be fahefana.
Ilay fahendrena, fahalalam-pomba, soatoavina, fisian’ny henatra, tahotra an’ilay Nahary, sns, no tsy ananan’ny raiamandreny sasany. Sarotra ny hanolotra ny tsy eo am-pelatanana. Noho izany, mila mizara tsy miato izay mbola mahatsiaro fa manana sy mahatahiry ny fomba amam-pahendrena sy ny kolontsaina malagasy. Mila mianatra kosa ny tsy mahalala mba hanana hozaraina.
HaRy Razafindrakoto