Tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany, tsy tapaka fa mitohy ireo hetsika ho fampivelarana sy ho fanomezana aina ny teny malagasy. Hotontosaina ny sabotsy 18 novambra izao, ao amin’ny Institut national des langues et civilisations orientales (Inalco) 65 Rue des Grands Moulins, 75013, Paris, ilay fifaninanana « Soratonon’2023 ».
Hozaraina sokajy roa ireo hifaninana. Sokajy voalohany, ho an’izay efa miteny sy manoratra teny malagasy. Sokajy faharoa kosa ho an’ireo nianatra na mianatra ny teny malagasy toy ny teny vahiny rehetra (mety tsy mbola mahafehy tsara). Tsy misy fetra ho an’ny taona ireo sokajy roa ireo. Sehatra anisan’ny mampivelatra sy manome aina hatrany ny teny malagasy ny fanatanterahana ny « Soratonon’ 2023 ».
Na ianarana any an-tsekoly aza ny taranja malagasy, tsy ampy hahaizan’ny zaza malagasy ny teniny izany. Antony, tsy ampiasaina ho teny hoenti-mampianatra ny teny malagasy. Vokatr’izay, miha vitsy hatrany ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora no miaina sy mampiasa ny tenin-drazany.
HaRy
Razafindrakoto