Orinasa mitantana seranam-piaramanidina voalohany aty Afrika, nahazo ny loka iraisam-pirenena ACI “Africa Environment and Sustainable Development Awards” ho an’ ny taona 2023. Tanteraka izany vokatry ny asa nataony tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana any amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be.
Anisan’ny singa sy fepetra takina ahazoana ity loka ity ny lafiny fitsinjovana ny tontolo iainana matanjaka, ahitana ny asa ataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Tamin’ny alalan’ny sampandraharaha fitantanana ny kalitao sy ny lafiny asa sosialy ataon’ny orinasa (RSE), no efa miasa sady mitsinjo ny tontolo iainana ny Ravinala Airports. Mpikambana ao anatin’ny fikambanana iraisam-pirenena United Global Compact (UNGC) rahateo ity orinasa ity, hanatrarana ny tanjona fampandrosoana maharitra.
Manome lanja manokana ny lafiny tontolo iainana ny Ravinala Airports. Anisan’ny fepetra sy asa raisiny ny any amin’ny serananam-piaramanidina Nosy Be ny fitantanana ny fako, ny rano ary ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Misy fiantraikany amin’ny lafiny toekarena sy sosialy eny ifotony izany, satria omena vahana ny mponina eo an-toerana, toy ny any Nosy Be. Anisan’ny tanjona lavitra ezaka ny haha mpandraharaha mahomby amin’ny fitantanana seranam–piaramanidina aty amin’ny ranomasimbe Indiana mialoha ny taona 2025.
Njaka A.