INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny fisokafan’ny fiofanana nasionaly na ny concours d’entrée à l’internat qualifiant en médecine, amin’ity taona 2023 ity. Mpianatra ho mpitsabo miisa 60 no kendrena horaisina amin’izany. Ny 50 amin’izany dia sivily ary ny 10 kosa dia miaramila.

Nahazo fitaovam-pianarana, ahitana kahie, penina, aronakanjo ary fitsipika ireo mpianatra ao amin’ny Cisco Sakaraha, Dren Atsimo Andrefana. Nahazo ny anjarany koa ny mpianatra ao amin’ny EPP Ambatomanohankazo, Cisco Tsiroanomandidy, Dren Bongolava tamin’ity herinandro ity.

Ny filankevitry ny minisitra farany teo no nankato ny hanomezana sorabola fanampiny ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Handoavana ny ampaham-bola sisa izay tsy mbola voaloa tamin’ny asa fanorenana ny tobim-pahasalamana fototra na CSB manara-penitra ao Tanambao I sy Lazaret, faritra Atsinanana izany.

Tonga ny “scanner” hapetraka ao amin’ny CHRR Amboanato, Taolagnaro, fitaovana avy amin’ny fanjakana hanatsarana ny fandraisana an-tanana ny marary. Efa manana toeram-pitiliana LA2M ny faritra ka tsy voatery mandeha lavitra intsony fa vita eo avokoa ny fitiliana samihafa.

Partager sur: