Kafe : zava-pisotro fahatelo be mpisotro indrindra maneran-tany

Zava-pisotro fa­ha­telo be mpisotro indrindra ma­neran-tany “1,5Milliard de tasse des cafés » no fisotron’ny olo­­­na isan’andro maneran-tany. Zava-pisotro fa­ha­telo be mpisotro indrindra, ao­rian’ny rano sy ny dite izy io. Misotro kafe avokoa ny olon-drehetra, raha nana­ovana fanadihadiana.

Ilain’olona amin’ny fiainana andavanandro ny kafe. Mi­sotro kafe indroa hatramin’ny indimy ny olona iray, raha nanontaniana. Ataon’ny olona sasany, sakafo maraina miaraka amin’ny mofo. Misafidy ny hisotro izany ho fanampin-tsakafo eny anelanelam-potoana ihany koa ireo mpisotro. An­koatra izay, safidin’ny olona hitazomana bika ho an’ny mpanao fanatanjahantena iha­ny koa. Ao ireo manao izany ho fitaovana hanadiovana tarehy noho ireo singa natoraly entiny. Toy ny fanalana kentrona, panda… Ma­nome hery, mampatanjaka, manampy ny olona hiary tory, atao fanafody ary fahazarana hatramin’ny mbola kely ny antony manahatonga ny ankamaroan’ny olona hisotro izany. Ahazahoana tombontsoa ma­ro ny fisotroana kafe. Ma­metra ny famokarana ny peptide Bêta-amyloïde sy ireo protéine tsy ara-dalàna tomponandraikitra amin’ny ratra mampiavaka ny aretin’ny Alzheimer, ny kafeinina. Ankoatra izay, mandrisika ny famokarana ireo neuromédiateurs (serotonine sy dopamine) ary manome fahasalamana ihany koa ny fisotroana kafe. Mahatsara ny aty (foie) ny fisotroana azy, araka ny voka-pikarohana nataon’ny Oniversité Southampton sy Edimbourg any Angletera. Manana fahafahana ho anti-inflammatoire sy anti-oxidant ihany koa izy io. Mampitombo ny fahaiza-mamorona sy ny fitazomana ny fifohazana ary ny fahatsiarovana sy ny tadidy koa izany.

Mihena ny fanjifan’ny olona

Tsy mandeha ny tsena amin’izao fotoana izao. Nahitana fihenana ihany koa ny fanjifan’ny olona ny kafe eny amin’ny mpivarotra eny anelakelan-trano ireny. 1 5000 Ar eo ny kilaon’ny kafe raha eny anivon’ny tsena mpamongady. “Nahitam-pihenana iza­ny raha oharina tamin’ny taon-dasa satria nahatratra hatramin’ny 20 000Ar teo izany”, hoy Rafaly, mpamongady etsy Anosibe. 400 Ariary isaky ny kilao ny manendy kafe eny amin’ireo ivontoerana natokana ho amin’izany. 300 Ariary isaky ny kilao kosa ny mitoto. Raha mitondra voan-kafe 5 kg ny olona iray, lasa 3kg sy 800 g eo ny vovo-kafe azo rehefa voaendy sy voatoto izany, raha ny fanazavana hatrany. Manendy kafe 5 kg isan’andro eo sisa ny mpivarotra kafe iray amin’ny ankapobeny, raha nanontaniana. Raha toa ka nahalany 10 kg mahery izy ireo tamin’ny taona lasa.
Kely ny karama amin’ny fivarotana kafe, 10 000 Ar isan’andro eo ny azon’ireo mpivarotra amin’ny siny, mandehandeha. Mahalany kafe totoina, iray kilao isan’andro eo ny mpivarotra kafe iray amin’ny siny, mandehandeha amin’ny toerana maro. “Misafidy ny kafe totoina izy ireo satria mahery no sady tsy mifangaro izany”, hoy Randria, mpivarotra kafe amin’ny siny. Tsy mandeha ny tsena amin’izao fotoana izao, adiny efatra hatramin’ny adiny enina vao lany ny kafe iray siny. Mahalany 2 siny eo ny mpivarotra iray ao anatin’ny iray andro.

Tsara kalitao ny kafen’i Madagasikara

Firenena mahavokatra sakafo betsaka i Madagasikara. Anisan’izany ny kafe, ny karazam-boamaina ary ny vokatry ny tany maro samihafa. Raha ho an’ny vokatra kafe manokana, anisan’ny mpamokatra kafe betsaka indrindra ary manana ny kalitao tsara i Madagasikara, raha ny fikarohana nataon’ny siantifika sy ny manampahaizana maro. Nahavo­katra kafe manodidina ny 47 767 t, tamin’ny taona 1998. Nahavita nanondrana kafe manodidina ny 10 000t ny firenena tamin’ny taona 2007 hatramin’ny 2016, raha ny antontanisa nalaina tamin’ny tranokalan’ny « graine de café de Madagascar ».
Ahitana mpamboly kafe avokoa ny faritra maro manerana ny Nosy, raha ny fanadihadiana natao. Tena tsara kalitao ary be mpisafidy sy be mpanjifa ny any amin’ny faritra Ambanja sy Sambava, raha ny nambaran’ireo mpamongady eny amin’ny tsenan’Anosibe. Ny kafe avy any amin’ny faritra avaratra no tena be mpanjifa noho ireo antony voalaza ireo. Ao anatin’ny herinandro, mahalany taonina iray na iray sasany ny mpamongady iray, etsy Anosibe, raha nanontaniana.

Karazany roa samihafa
Misy karazany roa ny kafe, izay ahitana ny “Arabica” sy “Robusta”. Ny karazan-kafe antsoina hoe “Robusta”, no tena vokatra tsara kalitao sy tena haondran’ny firenena malagasy any ivelany. Ambolena any amin’ny faritr’Avaratra Andrefana (Nord Ouest), any amin’ny faritr’i Nosy Be io karazany iray io. Ahitana izany ihany koa ny any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany. Ho an’ny karazan-kafe antsoina hoe: “Arabica”, ambolena eto Afovoantany. Toy ny eto Antananarivo, manakaiky ny lac Alaotra. Mahatratra eo amin’ny 600 hatramin’ny 1 200m ny “altitudes”, refy miala amin’ny marindranomasina, izany. Maniry any amin’ny faritra Itasy, toy ny any Analavory sy Ampefy, manodidina ny 1 390m haavo voalaza etsy aloha.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: