Minia…Mania

Gaboraraka ny fiainam-pirenena tao anatin’ny roa herinandro. Toy ny tany tsy misy fanjakana i Madagasi­kara, indrindra ny teto an-drenivohitra. Tsy nisy niraharaha izay lalàna velona izany fa samy nitondra ny lohany. Nanao izay danin’ny kibony avokoa ny rehetra. Tsy madinika, tsy olo-maventy fa dia tsy nisy niraharaha izay rafi-panjakana izany. Ilay governemanta ifarimbonana ihany koa toa angady tsy nahatapaka ahitra. Nitsinjatsin­jahan’ny mpilalao politika maloto ny tanàna.
Aleo tara toy izay tsy misy, hoy ny fiteny mahazatra. Soa fa nisy ny fanapahan-kevitra hentitra, noraisina omaly. Indrindra ho an’ny prefektioran’Antananarivo, izay zary nivadika ho fanjakan’ny baroa. Efa nahasahy nifamono ny samy sivily. Nivadika ho fankahalana ilay fitakiana fahafahana. Nisy ny maty sy ny naratra, ary nisy rava fananana. Iza anefa no hanonitra izany ? Sanatrian’ny vava sorona tsy amin’antony.
Manoloana ny toe-javamisy ankehitriny, tsy maintsy mihenjana sy mamerina ny hasin’ny fanjakana ny mpitondra. Mbola fanjakana mijoro ara-dalàna, mamita ny iraka araka ny lalàna, mendrika hajaina izy ireo. Ny volo manoha-randrana sy ny fandoto iray tandroka tsy miala lavitra izany. Tsy maintsy mijoro ho andrin’ilay firenena izay tadiavin’ny sasany ho viraviraina.
Tsy mendrika korontana intsony eto amin’ny tanàna. Mila mametraka sy manaja ny soatoavina maha Mala­gasy. Tsy azo atao ambanin-javatra ny fanajana ny lalàna sy ny fampiharana izany amin’ny fotoana ilana azy. Tsy fotoan’ny fifampitaizana intsony izao, fa fotoan’ny famaizana ho an’izay zaza minia mania : ireo tsy laitran’ny balan’ny fananarana ka mitondra mankany amin’ny fanaovana tsinontsinona ny didy aman-dalàna.
Tsy maintsy mandray ny andraikiny izay nomem-pahefana ho amin’izany, raha tsy izay, hivadika zavatra hafa izy ity !

r.r

Partager sur: