Nandeha nitaky trosa : vehivavy mpandraharaha maty notifirin’ny jiolahy

Renim-pianakaviana mpandraharaha iray 49 taona, tompona tranombarotra lehibe ao 67 Ha, lavon’ny balan’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Botanika, Toamasina, afakomaly alina tamin’ny 7 ora sy sasany.

Maty tsy tra-drano ny mpandraharaha iray notifirin’ny jiolahy, ny alin’ny alarobia teo, tao amin’ny fokontany Botanika, faritra fisarahan’ny kominina Toa­masina ambonivohitra sy Toa­masina ambanivohitra. Ha­moaka kaontenera miisa 30 ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina sy hanangona vola “recouvrement” amin’ ireo mpanjifany ao Toamasina ny anton-diany tao an-toerana, araka ny angom-baovao. Vao avy nandray vola mitetina 500 000 000 Ar tamina vahiny mpandraharaha iray mpaka entana aminy izy. Etsy ankilany, misy ireo milaza fa nisy olona iray nilaza manana kafé 60 t ka hamidy amin’io ramatoa io. Nisy nitondra tamin’ny Bajaj, araka izany, ity farany. Nifamaly tamin’ny olona tao amin’io Bajaj io izy ka nitsoaka. Vokany, notifirin’ny jiolahy avy ao an-damosiny avy ha­trany io mpandraharaha io ka maty. Voaroba ny firavaka vo­lamena enina sy peratra niampy finday teny aminy.

Nametraka fitoriana
Nohamafisin’ny vady ande­fimandriny sy ny fianakaviany fa entana efa lafo ireo kaontenera havoaka ireo. Hitaky vola amina teratany karana iray efa nametrahany fitoriana amin’ny tsy fandoavana trosa koa ilay ramatoa izao maty tampoka izao. Ny andron’ny alarobia rahateo no tokony hivoahan’ny entana sy kaontenera miisa 30 ireo. Efa fanaony ny midina eto Toa­masina mamoaka entana sy manao “recouvrement”, hoy hatrany ny fijoroana vavolombeloana. Vokany, lasa miteraka tsy fahatokisan’ny mpanjifa ny karazam-pitaterana Bajaj izao trangan-javatra izao, izay tsy vao sambany rahateo.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: