Nisokatra omaly, eny amin’ny Zone Forello Expo Tanjombato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny trano fonenana (SIH). Hampiavaka amin’ity andiany faha-25 ity ny fitsinjovana ny tontolo iainana.
Maherin’ny 120 ny mpandray anjara eny amin’ny SIH 2023, ahitana ireo mpisehatra samihafa amin’ny lafiny fanorenana, indrindra ny trano fonenana, toy ny mpamokatra akora fototra, ny mpamatsy kojakoja, ny orinasa matihanina amin’ny fivarotana tany sy trano, ny mpampanofa. Eo koa ny sampandraharaha ara-bola toy ny banky, ny trano fiantohana, ny mikasika ny drafi-panajariana ny tany sy ny tanàna, ny kisary sy ny taontrano, sns.
Nilaza ny tomponandraikitra voalohan’ny fikarakarana ny SIH, Rtoa Ramanantsoa Harilala, omaly, fa anisan’ny mampiavaka an’ity andiany ity ny faha-25 taona nisiany. Hisy, noho izany, ny fampihenam-bidy goavana, ataon’ireo mpandray anjara rehetra tsy ankanavaka ho an’ny mpitsidika sy ny mpanjifa.
Nilaza ny filohan’ny orinasa Hazovato Forello, Gerard Monloup, fa lohahevitra noraisiny ny hoe « fikarohana sy famoronana zava-baovao ho an’ny trano fonenana. Eo koa ny lafiny fitsinjovana ny tontolo iainana ». Ho hita ao ny lafiny famoronana mifanandrify amin’ny fiovan’ny toetr’andro, ny angovo azo havaozina, ny fanodinana akora efa niasa, sns.
Hitombo ny mponina
Hisy ny trano mifandraika amin’ireo, ahitana ny kojakoja sy ny akora, ny taontrano, sy ny manodidina azy rehetra. Nomarihin’i Gérard Monloup koa fa tsy maintsy misy ny fitsinjovana ny hoavy dieny izao. Fanorenan-trano sy ny endrika trano afaka miatrika ny fitomboan’ny mponina. Satria mipetraka an-tanàn-dehibe ny 36% amin’ny Malagasy, ary tombanana hitombo avo roa heny ny mponina eto an-drenivohitra, manodidina ny 7 tapitrisa amin’ny taona 2033 hatramin’ny 2038.
Ankoatra ny fampirantiana, misy koa ny loabary an-dasy, ny famelabelaran-kevitra, ny fihaonana mivantana (B2B) eo amin’ny mpamatsy sy ny manjifa. Hifarana amin’
ny alahady 22 oktobra ny foara SIH 2023.
Njaka Andriantefiarinesy