Basikety N1A. Niady tanteraka ny lalao nifanandrinan’ny TGBC Betsiboka sy ny SBC Vakinankaratra, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana nasionaly N1A, sokajy lehilahy. Isa 69 no ho 67 no nahazoan’ny TGBC ny fandresena. Nahazo fandresena ihany koa ny GNBC Analamanga sy Ascut Atsinanana.
Hotanterahina eto Antananarivo manomboka ny 30 oktobra – 3 novambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Tenisy, sokajy «Junior». Raha ny fanazavana navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny tenisy, omaly, ny U12, U14, U16, U18 no hanao amin’izany.
Fiadiana ny tapakila ny Euro 2024 izay hatao any Allemagne, nifanandrina ny talata lasa teo i Angleterre sy i Italie. Lavon-dry zareo Anglisy tamin’ny isa 3 no ho 1 ny mpilalao italianina. Nahatafiditra baolina roa ho an’ny Three Lions Angleterre i Harry Kane, Anglisy lohalaharana milalao ao amin’ny Bayern Munchen FC.
Hotanterahina anio, any France, ny manasa-dalan’ny fiadiana ny Tompondaka maneran-tany amin’ny taranja Rugby. Hanokatra ny fihaonana amin’izany ny fihaonan’i Argentine sy i Nouvelle Zélande. Marihina fa ny ekipam-pirenena Nouvelle Zélande, All Blacks, miandrandra ny haka ny amboara amin’ity fifaninanana ity.