TARATRY ny KANTO

Revy Lôlô, eny amin’ny Le By Pass After Work. Mitohy hatrany ny famelomana ny “Revy Lôlô sy ny tariny”, hataon’i Benny sy Bebey. Manaraka azy mirahalahy amin’ny tendry gitara hatrany i Ninie Kaoli­bera. Toerana efa mahazatra ireo mpiala voly aorian’ny asa rehefa faran’ny herinandro ity hanomezan-dry zalahy fotoana, anio manomboka amin’ny 8 ora alina ity.
Handray revy gasigasy ny Piment Café. Hafa raha samy fiarahana an-tsehatra, satria hiray tsikombakomba Ralanto, Fara Gloum, Erick Rason ary i Ankoay. Mivelatra be ny hira hatolotr’izy ireo, na dia mifototra amin’ny gasigasy hatrany aza. Maro ireo fampiaraham-peo fanaon’i Fara Gloum, iarahany indray amin’ireto lehilahy ireto. Toraka izany koa ireo hiran-dRalanto, izay efa famerin’izy sy i Ankoay.
Olombelo Ricky, eny amin’ny Le Havre Café. Eny Mamory Ivato indray ny fotoana omeny ny mpankafy, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Fiarahana mampifanakaiky kokoa ny tarika sy ny mpankafy ny “mozika avy ao anaty” ny “cabaret” toa izao, ho an-dry Olombelo Ricky. Mifangaroharo ao ireo hira efa ela izay mitoetra hatrany ny lazany, sy ireo taty aoriana kokoa, kanefa efa voarain’ireo tia mozika.
Apost eny amin’ny Garage Rock Café. Fotoan-dehibe hoan’ireo mpankafy ny mozika rock ny alahady tolandro izao, eny 67 Ha. Hiaka-tsehatra indray ny tarika Apost iray manontolo, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hamerina ireo vazo tsy tontan’ny ela, sy ireo sanganasany taty aoriana ry Abass sy ny tariny. Haharitra ora maromaro ny fiarahana, araka ny nampitaina.

Partager sur: