TSELATRA

Vehivavy mpivarotra rongony saron’ny polisy tao Ankaraobato, afakomaly. Nahitana fonosana zava-mahadomelina 200 isa tao amin’io voasambotra io. Nilanja 2 kg io rongony nokasaina hamidy amin’ireo mpidoroka ao an-toerana io. Naiditra am-ponja vonjimaika.

Mpangalatra kisoa iray voasambotry ny zandary tao Faratsiho, ny talata 17 oktobra teo tamin’ny 11 ora atoandro. Nojaikoin’ny mpitandro filaminana teo am-panaovana ny asa ratsiny io ramatoa io. Nanante­na hampatory tamin’ny ody ratsiny io mpangalatra io kinanjo tsy nahomby izany. Nentina natao famotorana izy ary atolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

Vehivavy nandeha taxi-bisikileta iray maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Anta­ni­­me­nakely-Ampitatafika, omaly. Nodomin’ny kamiao avy any aoriana ilay bisikileta. Vaky ra ny lohany rehefa voasaringotry ny fiara ny akanjon’ilay ramatoa. Na­ra­tra ilay mpitondra bisikileta.

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Andra­noma­havelona-Masombahiny, kaominina Ambo­hima­laza, afakomaly. Nisehoana vaky trano tao amin’io toerana io, ny alin’ny 12 oktobra lasa teo, tamin’ny 01 ora maraina. Nafatotr’ireto olon-dratsy ny olona tao an-trano. Tafaporitsaka tampoka anefa ny iray tamin’ireo lasibatra. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ity farany. Raikitra ny fikarohana ny nahavanon-doza nanomboka teo.

Partager sur: