Ho fantatra amin’ny faran’ny volana oktobra ho avy izao ny anaran’ireo Malagasy mpilalao efatra hiaro ny voninahi-pirenena malagasy mandritra ny Mondial 2023, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana maneran-tany izay atao any Bangkok Thailande, ny 23-26 novambra ho avy izao. Ny sokajy “senior” vehivavy sy ny “Junior”, sokajy lehilahy no manao izany ho an’i Madagasikara. Raha ho an’ny lehilahy zandriny, ilay Malagasy mpanazatra, Andrianirina Adrien Julio Edouard no hitondra azy. Araka ny fanazavana nomen’ity mpanazatra ity, ireo mpilalao telo tompondakan’i Madagasikara tamin’ity efa mandrafitra ny ekipa nasionaly. Anisan’izany Raherinirina Tafitasoa Heritiana sy Fanomezantsoa Julien Andriamanankasina ary Andriantahina Willy Andy Ramahefasoa. Iray amin’Andriambelonony Clarito sy Randriamiavosoa Ronalduno ary Fenosoa Antoine ny fahaefatra amin’izany. Marihina fa manaraka ny fanazarantena any Antsirabe ireto Malagasy mpilalao ireto. Raha ho an’ny vehivavy, izay tarihin-dRandriambahiny Hanta Francine na Cicine, efa fantatra avokoa ny anaran’izy ireo. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany, Malalaharison Miary Hasina, Andrianarimalala Judicaël, Razafinankanga Mirana ary Randriamalala Felanirina Harinivo.
Fitia Randria