Efa tafakatra 3 300 Ar ny kilaon’ny vary makalioka, nanomboka tamin’ity herinandro ity teto an-drenivohitra. Misy mihitsy aza ireo mpaninjara mivarotra 1 000 Ar ny iray kapoaka, izany hoe 3 500 Ar ny kilao. Milaza izy ireo fa mahatonga izany ny fiakaran’ny vidiny ataon’ny mpanangom-bokatra, satria misy ny mpandraharaha mahavita manangom-bary betsaka.
Manohana ny fahafahan’ny vehivavy sy ny ankizy miatrika ny fiainana ny Banky iraisam-pirenena. Tanjona ny hahazoan’izy ireo mivelon-tena tsy manokana. Misy ny tetikasa EAGER, ao anatin’ny Banky iraisam–pirenena, hanatanterahana izany.
Ampisaina ny teknolojia maoderina, handalinana ny antontam-baovao mahakasika ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara. Fiaraha-miasa iarahana amin’ny Antokon-draharaha ho an’ny fampandrosoana japonais ( Jica). Ho hampiasaina ny teknolojia maoderina, hanatanterahana izany.
Anisan’ny saran-dalana mora indrindra eto Madagasikara ny mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena fahatelo (RN3). 7 000 Ar ny avy eto Antananarivo mankany Anjozorobe, lalana 90 km, 5 000 Ar ny eo Antokonana Ankazondandy, izay 45 km, mianina toa an’ Antananarivo.