Lehilahy voatondro ho mpamaky trano matin’ny daroka tao anaty fonjan’ny kaominina ambanivohitr’Andasibe, distrikan’i Vavatenina, faritra Analanjirofo, ny alahady 15 oktobra teo. Nosamborin’ny eo anivon’ny kaominina ao an-toerana izy, ny tolakandro io alahady io. Notazonina tao amin’ny efitranokely “fonjan’ny kaominina”, araka izany, io voalaza ho mpangalatra io. Nohazonin’ny mpiasan’ny kaominina tao izy. Tetsy ankilany, nahare hiakiaka mafy avy any ivelan’ny vavahadin’ny kaominina ny fokonolona. Nandondona mafy nangataka hiditra ny faritry ny kaominina izy ireo saingy voasakana. Nikasa hanatitra sakafo ho an’io lehilahy io koa ny vadiny. Nahazo fandrahonana avy hatrany anefa ity farany. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy notanana tao anaty fonja. Nahitana mangana sy ratra ny vatany. Nametraka fitoriana eny anivon’ny zandary ny fianakavian’ny namoy ny ainy.
Sajo.