Manohana ny tovovavy sy ny vehivavy malagasy hahazo fampianarana sahaza sy hahaleo tena ara-toekarena ny Banky iraisam-pirenena. Hanatanterahana izany ny fandaharanasa hampahaleo tena sy hiatrehana ny fiainan’ny vehivavy aty Atsinanan’i Afrika (ERGER).
Hanatsara ny fanabeazana sy ny fidiram-bolan’ ny tovovavy sy ny vehivavy ity fandaharanasa vaovao ity. Anisan’ny ifantohana ny fanamafisana ny fari-pahalalana, mba hisian’ny miralenta. Firenena misitraka izany voalohany i Madagasikara, hahazo famatsiam-bola 180 000 tapitrisa dolara sy Mozambika, hahazo 200 tapitrisa dolara avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (Ida), sampana ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Hisahana ny fitantanana ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Tahirimbola ampiasaina ho an’ny fampandrosoana (Fid).
Nilaza ny talen’ny EAGR sampana Afrika sy Moyen Orient, Rtoa Boutheina Guermazi, fa tetikasa vaovao ity hatao ity, mikendry manokana ny ankizivavy sy ny vehivavy. Mahatratra 160 000 izy ireo ny hamokatra sy hahita asa aty Madagasikara sy Mozambika.
Manodidina ny 6 tapitrisa ny mpanentana hiasa amin’ity fandaharanasa ity, hanatrarana ny fitovian-jo sy ny miralenta.
Tsy afaka mamokatra
Tsiahivina fa manodidina ny 40 tapitrisa ny ankizivavy tsy mandeha any an-tsekoly. Miisa 55 tapitrisa ny ankizivavy sy ny tovovavy manambady alohan’ny 18 taona. Tsy afaka mamokatra izy ireo, noho izany, sady tsy afaka manapakevitra, tsy mahita asa, na koa miasa tsy araka ny tokony ho izy.
Nambaran’ny lehiben’ny ekipan’ny asa ao amin’ny EAGR, Sara Troiano fa «ilaina ny asa mifototra amin’ny maha olombelona toy izao. Satria ezaka marolafy, mahakasika ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny asa ary ny fiarovana sosialy».
Njaka Andriantefiarinesy