Notazonin’ny dahalo nanomboka ny 12 oktobra teo, avotry ny zandary ny ankizy roa lahy tao Antsiafabositra, kaominina Andriba, distrikan’i Maevatanana, afakomaly. Nalain’ny olon-dratsy an-keriny tao amin’io tanàna io ireo ankizilahy 9 taona sy 14 taona ireo. Nohazonin’ny mpaka takalonaina izy mirahalahy ireo ary notakina vola an-tapitrisany tamin’ny fianakaviana. Nanao ny fanadihadiana lalina mahakasika ireo tompon’antoka tamin’io raharaha io ny mpitandro filaminana. Nifandona tamin’ireo olon-dratsy ireto farany. Dahalo roa lahy lavo, nandritra ny fifampitifirana. Tafaporitsaka ny telo lahy namany. Tetsy ankilany, olona efatra mpiray tendro tamin’ireo mpaka an-keriny voasambotra. Vehivavy avokoa ny telo amin’izy ireo. Naverina eny anivon’ny fianakaviany ireo roa lahy natao takalonaina. Natao famotorana lalina kosa ireo efatra sarona ka hampidirina am-ponja tsy ho ela. Karohina ireo namany nandositra.
Tsiferana R.