Fandraisana zazakely: mila manomana hatramin’ny 1 600 000 Ariary

Alohan’ny handraisana zazakely vao teraka, mila fiomanana maro samihafa izany na ho an’ny reny na ho an’ny mpivady. Tafiditra ao anatin’izany avokoa na ny ara-bola, na ny ara-batana sy ara-tsaina.

Anisan’ny zava-dehibe, indrindra amin’izy ireo, ny fiomanana ara-tsaina, raha ny fanadihadiana natao. “Tsy kilalao ny miteraka sy mitaiza, mila fahamatorana tsara ara-tsaina ary mila fahavonona ny fandraisana ny vahiny kely”, hoy ny mpitsabo, sady mpitantana ny orinasa Kaserio etsy Behoririka. Tsy zazakely intsony fa ho mama ny vehivavy bevohoka iray. Homanina, araka izany, ny saina fa tsy maintsy hanasa lamban-jaza, hitaiza ary hanabe, hampianatra … ny reny na ny mpivady iray. Ankoatra izay, zava-dehibe ataon’ny mpivady ny fanomanana ny ara-bola alohan’ny hiterahana. Mano­di­dina ny 500 000 hatramin’ny 1 600 000 Ariary eo izany, raha ny fanadihadiana natao. «Ahitam-piakarany avokoa ny vidin-javatra rehetra ilaina amin’ny fiterahana amin’izao fotoana izao ka antony mahatonga io lelavola io”, hoy i Noro, renim-pianakaviana hiomana amin’ny fiterahana. Tsy nahitana fiovana firy toy ny tamin’ny taon-dasa izany, raha ny fanazavan’ny renim-pianakaviana sasany. Antony ilàna io vola io ny fanaovana fizaham-pahasalamana , fanarahana ny zaza ao am-bohoka, fisafoana, fividianana ny fitaovana ilaina rehetra toy ny ankajo, ronono,… ankoatra izay, ny saram-piterahana.

Ilaina ary zava-dehibe ho an’ny reny mitondra vohoka ny fanatonana toeram-pitsaboana. Zava-dehibe ho an’ny vehivavy bevohoka izany, satria mampihena ny loza mety hiseho raha saro-piterahana. “Rehefa hita mialoha ny fahasarotana, efa miomana amin’ny fikarakarana rehetra tokony hataony ny mpitsabo mba hisorohana ny fahaverezan-dra be loatra…”, hoy hatrany io mpitsabo io. Tsy voatery hanatona any amin’ny toeram-pitsaboana lafobe fa azo atao tsara ny manatona ny CSB. Olana ho an’ny reny sasany, ny tsy fisian’ny fotoana noho ny asa aman-draharaha eo anivon’ny tokantrano sy ny orinasa.

Tsy tsara ny akanjo mavo ho an’ny zaza vao teraka

Raha mbola ao am-bohoka ny zaza, tsara kokoa ny fividianana akanjo “neutre” ho azy. Ny torohevitry ny rasazy sy ny gynecologue matetika, tsy azo atao mavo ny ankanjon-jaza vao teraka. Mety ahitana ny karazan’aretina somary miloko mavo ny zaza vao teraka. “Raha hampiakanjoana mavo ny zaza, mitaratra any aminy avokoa ny loko ka tsy hita ny hanavahana azy”, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatra izay, atao akanjo na lamba vita amin’ny “coton” ary tsy asiana tady mifatotra. Anisan’izany, ny «chaussons». Manana fahazarana hamatotra ny tadikely aoriana ny reny matetika. Mampidi-doza ny zaza izany, raha sanatria ka voafatotra mafy. Tsara atao mafana ny zaza amin’ny andro ahaterahany satria mbola nafana tao an­atin’ny kibon’ny reniny. “Tsy mahafantatra ny hafanana ety ivelany izy amin’io fotoana io ka antony hanaovana mafana azy”, hoy hatrany ny fanaza­van’ny mpitsabo.

Atao manaraka ny toetr’andro amin’izay izy avy eo, mba tsy ho mora azon’ny aretina. Toy ny laipano, tandimerina…

Manampy ny zaza hiatrika ny hoaviny ny kilalao

Maro mpisafidy ny boky sy ny kilalao amin’ny endriny maro samihafa, manomboka ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 12 taona. Zava-dehibe ny kilalao ho an’ny ankizy satria manampy azy hiatrika ny hoaviny. Mampa-kinga saina, manampy azy hahay hikarakara tokantrano ihany koa izany. Toy ny dinety, ho an’ny zazavavy kely. Ireo karazana fiara kosa ho an’ny zazalahy kely. Hanampy azy hitondra fiara izany rehefa lehibe. Eo koa ny karazana “jeux de construction”, tsy mifidy. Amin’ny ankapobeny, mahasarika ny ray aman-dreny hiteraka ny fanjifana ny “nounours”. Tsy mbola mahay milalao ny zaza vao teraka, fa hahavariana azy fotsiny ny anton’izany. “Mbola tany am-bohoka ny zaza, efa nieritreritra ny zavatra sy ny kilalao tian’ny zanako aho”, hoy Sondrota Maya, mpamorona ny Happy childhood. Nilaza izy fa hay hoazy avokoa ny fikarakarana rehetra vokatry ny fikarohana manokana sy amin’ny maha natoraly ny reny. Ilaina andavanandro ny ankajon-jazakely satria misy foana ireo zaza vao teraka. Anisan’ny ankajo be mpanjifa ho an’ny vao teraka ny ankanjo mafana toy ny Grenouillere, Gigoteuse, peluche.
Nanangana ity orisana kely ity ny vehivavy anankiroa antsoina hoe Andriamialy Tahinasoa Tania, mpitsabo sy Ravalisoa Tony, Ingenieur telecom. Renim-pianakaviana mikarakara tokantrano izy ireo taloha. Nieritreritra fa tsara kokoa raha manana lahasa atao ny olona tsirairay fa tsy mikarakara tokantrano fotsiny. Manao ny karazan-tsakafo natokana ho an’ny ankizy. Toy ny biscuit, crèpe… izy ireo ary mikarakara atrikasa ho an’ny ankizy ihany koa. Anisan’ny mpikarakara ny hetsika “Miomana handray vahiny kely” izy ireo, tamin’ity taona ity. Nanomboka omaly ary hifarana anio ny hetsika, ahitana ireo karazana kojakoja ho an’ny zaza vao teraka, etsy Behoririka.

Nanatontosa : Mino
Sary : Nomena

Partager sur: