FANTINA sy FINTINA

Niarahaba ny filohan’ny Federasionin’ny baolina kitra (FMF) vaovao, Randriamanampisoa Alfred, ny kandidà Rajoelina Andry, amin’ny maha mpankafy azy io taranja io. “Manantena aho fa hitondra rivo-baovao ho an’ny kitra ianareo ka hanome aina indray ity taranja tiantsika ity. Ho eo akaikinareo aho ary vonona hifanome tanana”, hoy izy.

“Tsy fananan’ny kandidà 11 ny lalana”, hoy ny fanambaran’ny Armda, ivondronan’ireo antoko sy fikambanana am-polony, afakomaly. “Fanajana ny zon’ny hafa hivezivezy malalaka sy hanohy ny asa andavanandro ary ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ny fetran’ny fahalalahana maneho hevitra”, hoy izy ireo.

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko MFM. “Ny fanadiovana ny tokotany amin’ny ankapobeny no fomba hanafoanana ny ra latsaka sy ady an-trano ary ny fakana fahefana an-dalambe”, hoy izy ireo, omaly.

Hanao hetsika fanohanana ny kandidà, Andry Rajoelina ny “Pro ANR” atsy amin’ny Nosy La Réunion, anio hariva amin’ny 7 ora. Tafiditra amin’ny fandaharam-potoanan’izy ireo amin’izany ny hetsika samihafa, toy ny lahateny ifandimbiasana.

Partager sur: