Natao omaly, ny atrikasa mikasika ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2023-2024. Ilaina ny hamantaran’ny rehetra, satria marefo, mora iharan’ny loza voajanahary i Madagasikara. Iankinan’ny sehatra samihafa koa, toy ny lafiny fahasalamana, ny fambolena, ny fiompiana, ny fiahiana ara-tsosialy, sns. Nanohana ity atrikasa ity ny Fandaharanasa misahana ny ara-tsakafo maneran-tany (Pam).
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, nandritra ity fotoana ity koa, indrindra ny mpamokatra, ny tetiandrom-pambolena, 2023-2024. Ahitana ny karazam-boly samihafa, toy ny vary, ny katsaka, ny ampemba, ny tsaramaso ary ny voanjo. Novolavolaina tamin’ny alalan’ny taom-pahavaratra ny tetiandrom-pambolena, niarahan’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), ny Fofifa, ny Viamo ary ny PrAda/GIZ.
Azo atao ny miantso ny laharana maitso 321 (Airtel) ho an’ireo liana te hisitraka ny tetiandrom-pambolena, na mandefa fangatahana amin’ny adiresy e-mail scom.meteomalagasy@gmail.com.
Njaka A.