Hetsiky ny kandidà 11 : voasakan’ny mpitandro filaminana

Tsy vita hatramin’ny farany ny diaben’ny 11 kandidà, omaly. Nifarana tetsy Mana­kambahiny izany raha nikasa ny ho any Tsimbazaza izy ireo. Tsy mbola vita ny kabarin’ireo mpitarika ny diabe, nisy mpitandro filaminana marobe nandrava ny hetsika teny an-toerana. Tsiahivina fa tokony teny Bel’Air ny fotoanan’ireto mpanao fihetsiketsehana ire­to, saingy efa nisy an’ireo zandary niandry teny an-toerana ka izay no nahatonga ny dian’izy ireo niova. Marihina fa niainga teny Antsakaviro ny fihetsiketsehana ary nihazo an’Ambanidia ka voasakana teo Manakambahiny. Tsy nisy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ary tsy nisy koa ny olona naratra sy ny aina nafoy nandritra ny hetsika, omaly. Mikasa ny hanohy ny diabe ireo kandidà 11 sy ny mpanara-dia azy ireo, anio. Toerana maro no voafaritra fa hiaingan’izy ireo amin’izany: Ampasapito, Ankazomanga, Ampasika, Ampefiloha, ma­nomboka amin’ny 10 ora sasany. Raha ny fantatra omaly, hihazo ny eny amin’ny Coliseum Antsonjombe izy ireo.
Raha tsiahivina, efa na­moaka fepetra ny prefek­tioran’Antananarivo ny amin’ny fanaovana hetsika tsy nahazoana alalana ankoatra ny fampielezan-kevitra.

Randria

Partager sur: