Hetsiky ny MJ Events : raikitra ny « Roots Rap Reggae »

Sambany sady voalohany ary mbola hitohy. Hotanterahina etsy amin’ny CFM Anosy, anio amin’ny 3 ora tolakandro ny “Roots Rap Reggae”, andiany voalohany. Hiaka-tsehatra amin’­izany ireo mpanakanto mivoy gadona iray anatin’ny fahasamihafana. Ahitana an’i Psykopasy, Big Jim Da, Mashmanjaka Tsirefesimandidy & Othentik Di Ras, Rootsi­kalo, Maro’zik, Abdozy, Lousfah.
Anisan’ny hetsika voalohany karakarain’ny MJ Events izy io ary miompana manokana amin’ny mozikan’ny lalana. Fa eo koa ny kolontsaina amin’ny alalan’ny fampitana hafatra ho amin’ny fifampitaizana sy ny fizarana fitiavana, indrindra ny famerenana ny hasin’ny soatoavina malagasy. Anisan’izany ny firaisan-kina sy ny fifanajana omena ny mpiara-belona, ary ao anatin’izany koa ny fifankatiavana. Mazava ny lohahevitra voizina amin’izao hetsika andiany voalohany izao. “Mozika Mampiray, mozika mampijoro, mozika mampilay ny Roots Rap Reggae”.

Synèse R.

Partager sur: