Musée de la Photographie : misokatra anio ny « La Voix, le loin »

Hiavaka kely ny fampirantiana eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, manomboka anio. Ankoatra ny fampirantiana haikanto maro samihafa. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo haikanto sy kolontsaina maha izy ny Malagasy.

Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny tafatafa iarahana amin’ny mpahay kanto, Raharimanana Jean Luc, hetsika ao anatin’ny fampirantiana « La Voix, le loin ». Fampahatongavan-tsai­na ho an’ny Malagasy sy fampahafantarana ny kolontsaina sy ny maha izy ny Malagasy no tanjon’ity hetsika ity. Ho amin’ny anio, resadresaka sy fampirantiana momba ny haikanto sy ny tromba no ho hita eny an-toerana. Firenena maro no efa nandalovan’ity “La Voix, le loin” ity, ary tonga eto Madagasikara izy amin’izao.
Hisokatra manomboka anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny « La Voix, le loin ». Mandritra izany no hampahafantarana ny mahakasika ny tromba. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, misy ihany koa ny fotoana ahafahana miresahana sy hampahafantaran-dRaharima­nana Jean Luc ny momba ny haikanto harantiny hiresahany sy hamaliany ny fanontanian’ny mpankafy mahakasika ny haikantony sy ny momba azy. Anisan’izany ireo aloalo miisa roa sy takelaka misy lahatsoratra ary sary hosodoko, izay efa tafapetraka eny amin’ny toerana hanaovana ny ranty.
“Tsapa ny tsy fahampiana sy ny tsy fisian’ny fanabeazana ny Malagasy, mahakasika ny kolontsainy sy ny maha izy azy. Izany indrindra no nanaovana izao hetsika izao, ho famerenan-kasina ny maha Malagasy sy fitaizana ny Malagasy anatin’ny haikanto.” Hoy Raharimanana Jean Luc.

Lin

Partager sur: