Orinasa Cementis : simenitra lakaoly «Raikitra»

Mivoatra sy mandroso ny fanaovan-trano. Hamoaka vo­katra vaovao ny orinasa mpamokatra simenitra Cementis. Nampahafantarina ny mpitsidika ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny trano fonenana (SIH) eny amin’ny Zone Forello izany ankehitriny, izay haharitra hatramin’ny alahady 22 oktobra 2023. Simenitra lakaoly, antsoina hoe «Rai­kitra», ampiasaina amin’ny fametahana « carreaux ».
An-taonany maro ny fikarohana nataon’ny teknisiana ao amin’ny orinasa Cementis, nahitana ity vokatra vaovao ity. Miraikitra avo dimy heny raha oharina amin’ny simenitra tsotra fampiasa mahazatra. Hi­hena ny fotoana lany satria mora maina. Azo antoka, ary tsy atahorana ho vaky ny «car­reaux». Nanamboatra ozinina manokana any Ibity Antsirabe ny orinasa Cementis hamokarana ny simenitra lakaoly.
Misy karazany telo ity si­menitra vaovao ity, ny «Rai­kitra Classic», ny «Raikitra Spécial» ary ny «Raikitra ultra». Ho hita eny an-tsena, any Atsirabe, manomboka amin’ny volana novambra 2023 izao, ary eto Anta­na­narivo, manomboka amin’ny janoary 2024. Fanasonga­di­nana ny vita malagasy ny fisian’ity vokatra vaovao ity, afaka mifaninana amin’ireo hafarana avy any ivelany.

Njaka A.

Partager sur: