Rugby Mondial : hihaona i Angletera sy i Afrika Atsimo

Hotanterahina anio, ny manasa-dalana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja rugby, izay atao any Frantsa. Hifanandrina amin’izany ny XV de la Rose Angleterre sy ny Springboks Afrika Atsimo. Raha hiverenana ny ampahefa-dalan’ireo firenena roa ireo. Ny XV de la Rose, nandresy an’i Fidji, tamin’ny isa 30 no ho 24, ny alahady 15 oktobra lasa teo. Ny ekipan’i Afrika Atsimo, nandavo an’i Frantsa, mpampiantrano tamin’ny isa tery, 29 no ho 28 ta­min’io fotoana io ihany. Ny mpanazatran’i Angletera, Ian Borthwick, nilaza fa manana herijika tsara izy ireo ahafahany miakatra amin’ny famaranana. Etsy ankilany, ny Springboks, hiezaka ny hanohitra ny Anglisy ary tsy hanaiky raha tsy azony indray ny amboarabe izay efa eo am-pelatanany.
Tsara ny mampahafantatra fa notanterahina omaly ny manasa-dalana voalohany. I Nouvelle Zélande sy i Argentine no nifanandrina tamin’izany. Hatao ny 28 oktobra, ao amin’ny Stade de France, Paris ny famaranana.

Fitia

Partager sur: