Iray amin’ireo hetsika fanaon’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy, isaky ny faran’ny herinandro ny « Takalo dinika amorom-patana ». Nampiarahina amin’ny fisokafan’ny taom-pianarana kabary 2023 – 2024 ny fanokafana azy ity. Rahampitso alahady 22 oktobra, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva (oran’i Madagasikara).
Hiompana amin’ny lohahevitra : « Ny kabary sy ny fomba », ny dinika. Hisoron’afo amin’izany ny Dr Rabenalisoa Ravalitera Jean, mpampianatra mpikaroka, akademisianina, birao foibe sady renala Fi.Mpi.Ma maneran-tany sy Ranjatohery Harilala, mpampianatra tantara, akademisianina sady renala ihany koa. Marihina fa afaka manaraka sy manantevim-pahalalana amin’ny « Takalo dinika amorom-patana » ny firenen-drehetra, satria, amin’ny alalan’ny « zoom » na « facebook » (safidin’ny tsirairay) no hanarahana izany.
Anisan’ny mampiavaka ny « Takalo dinika amorom-patana » ny fananana lohahevitra mahaliana maro. Miovaova hatrany izy io ka kendren’ny foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany ny hamaly ny hetaheta sy ny fangatahan’ireo liana sy te hanatevim-pahalalana momba ny tontolon’ny teny malagasy, ny fomba amam-panao, sns. Kendren’ny mpikarakara ihany koa ny hahazoan’ny tsirairay fahalalana lehibe isaky ny manatrika ny « Takalo dinika amorom-patana ».
HaRy Razafindrakoto