Lalao nanamarika ny andro fahefatra omaly, ao anatin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A, taranja basikety, ny fihaonan’ny Cospn Analamanga sy ny GNBC Analamanga, sokajy lehilahy. Niady tanteraka ny lalao teo amin’ny roa tonta ary samy nampiseho ny maha sangany azy ny andaniny sy ny ankilany. Nifandimbiasana ny famonoam-baolina ary isa 2 monja, 60 no ho 58, no nandavoan’ny Cospn ny GNBC, teo am-piafaran’ny fifandonana. Voka-dalao hafa koa, nandresy ny SBC Vakinankaratra, tamin’ny isa 87 no ho 82, ny ekipan’ny AS Fanalamanga. Nomontsanin’ny Ascut Atsinanana tamin’ny isa 82 no ho 53 kosa ny TGBC ary nolavoin’ny BCB Boeny tamin’ny isa 56 no ho 52 ny ekipan’ny MBC Atsinanana. Mbola hitohy hatramin’ny faran’ity herinandro ity ny fifaninanana ary hiditra amin’ny andro fahadimy anio, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Mi.Raz