Behoririka: tsena 200 mahery lasa lavenona

Nandravarava ny afo tetsy Behoririka, ny alin’ny zoma 20 hifoha ny sabotsy 21 oktobra teo. Tsena an-jatony nivadika lavenona.

May ny tsena hazo 200 isa sy tsena 30 tao anatin’ny tranombarotra lehibe iray “Tsena maitso”, tetsy Behoririka, ny alin’ny zoma teo. Naharitra 7 ora mahery ny famonoana ny afo nataon’ny sampana mpamonjy voina. Nirehitra ny tsena hazo teo akaikin’ny rano maimbo tamin’ny folo ora alina. “Naharay antso izahay teto anivon’ny sampana mpamonjy voina tamin’ny 10 ora sy 12 minitra”, hoy ny nambaran’ny lehiben’ny sampana mpomonjy voina, ny Kly Tiana Razafimanahaka. Nanombo­ka namono ny afo izy ireo ta­min’ny 10 ora sy 18 minitra teo amin’ireo tsena hazo. Nihitatra tamin’ny tsena Maitso izay tranobe nisy rihana tsy lavitra teo anefa ny firehetana. “Noho ny tanjaky ny afo teo amin’ireo tsena hazo no nampirehitra ny tsena Maitso”, hoy hatrany ny Kly Tiana Razafimanahaka. Maty ny afo teo amin’ny tsena hazo tamin’ny 11 ora sy fahefany alina. Nitohy ny famonoana ny afo teo amin’ny Tsena maitso. Maty ny afo ny sabotsy tamin’ny 8 ora maraina. “Voakasiky ny afo avokoa ny rihana rehetra tao amin’io tsena io”, hoy ny mpamonjy voina.

Fanadihadiana lalina
An-tapitrisany ny fatiantoka nahazo ireo mpivarotra voa­kasik’ity fahamaizana ity.
Efa nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity haintrano nahatsiravina ity ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Efa misy ireo atao famotorana ka misahana iza­ny ny sampana heloka bevava. Manao antso avo izay mety ho vavolombelona ta­min’io tranga io koa ny eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra.

Tsiferana R.

Partager sur: