FANTINA sy FINTINA

Miisa 19 340 ny fokotany manerana ny Nosy, voarakitra ao anatin’ny rejisi-pifidianana nasionaly, nofaranana ny 20 jolay teo. Tafiditra ao anatin’io ny fokotany voarakitra amin’ny lalàna 2018-011 sy ny noraiketina tamin’ny alalan’ny didim-panjakana sy didim-pitondrana, araka ny fanazavana nentin’ny tale misahana ny raharaham-pifidianana sy ny eo anivon’ny Ceni.

Nanara-dia ny Vondron’ny kandidà ny depiote i Masy Goulamaly, araka ny fanapahan-kevitry ny antoko tarihiny, AMM. “Mitaky ny tany tan-dalàna izahay ho fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny eto amin’ny firenena”, hoy izy. Anisan’ny teny Antsonjombe ny tenany, ny sabotsy teo.

Samy nanao hetsika ny tany Moramanga sy Antsirabe ary Ambatondrazaka, ny sabotsy teo. Tafiditra amin’ny fanohanana ny hetsik’ireo kandidà 11. Mitaky ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna avokoa izy ireo, tamin’ny alalan’ny diabe sy filanjana sorabaventy ary ny hiran’ny fitiavan-tanidrazana.

Nodimandry, omaly, tany Italia ny evekan’Ambatondrazaka teo aloha, ny Mgr Antoine Scopelliti, araka ny fanambaran’ny Fivondronam­ben’ny eveka (Fem). Efa nitantana ny diosezin’Amba­tondrazaka ny tenany ary nodimbiasan’ny eveka, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, avy eo.

Partager sur: