Sehatrasa anisan’ny manana ny maha izy azy, nefa somary tsy tafapetraka amin’ny toerana tokony ho izy ny asan’ny Mpahay mari-trano eto Madagasikara. Maro ny olana sy antony mahatonga izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Mankalaza ny faha-30 taona nisiany ny « Ordre des Architectes Malagasy » na ny OAM, amin’ity taona 2023 ity. Homarihina ao anatin’izao fankalazana izao ny famerenana ny fametrahana ny maha izy azy ireo. Raha tsiahivina, anisan’ny manana anjara lehibe, amin’ny fandaminana sy fanomezana endrika ny tanàna ny olona manao ity asa iray ity. Takona ary very anefa izany maha izy azy izany noho ny fisian’ny mpisoloky, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny OAM. Ankoatra izay, ezaka lehibe ao anatin’izao fankalazana ny faha-30 taona izao koa ny fampahafantarana ny mpanjifa ny asan’ny Mpahay mari-trano, izay tsy fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy.
Ny taona 1993 no niforona ny OAM, ara-panjakana sy nijoro ara-dalàna. Somary vitsy ny mpanao ity asa ity raha ny eto Madagasikara. Ankehitriny, miisa 63 ireo mpikambana eo anivon’ny fikambanana. Ankoatra ny maha mpikambana eo anivon’ny “Union Africaines des Architectes” an’ireo eo anivon’ny OAM, anisan’ny mivondrona ao anatin’ny “Union Internationale des Architectes” ihany koa izy ireo. Maro ny vina ezahina ho tratrarina ao anatin’izao taom-pankalazana izao. Voalohany amin’izany ny fametrahana kokoa ny maha izy ny Mpahay mari-trano, eo ihany koa ny fitondrana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ny mpiangaly ity asa ity eto Madagasikara, ary farany ny fampitomboana ny mpikambana eo anivon’ny OAM.
Mandalo sedra sy lalan-tsarotra anefa ny fikambanana amin’izao. Maro ireo misoloky sy misandoka ho Mpahay mari-trano, izay tsy nahazo fiofanana feno sy ara-dalàna ka manimba ny asan’ny tena matihanina. “Olona nivoaka avy amin’ireo sekoly eken’ny OAM ihany no afaka sy ekena ho Mpahay mari-trano” hoy ny tomponandraikitry ny OAM. Raha tsiahivina, Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fanajariana ny tany ny Mpahay mari-trano. Eo ihany koa ny fanomezan’ny fanjakana ny tolotra azy ireny ka mahatonga ny tsy firindran’ny toeram-ponenana nohon’ny fisian’ny trano tsy ara-dalàna sy tsy manara-penitra. Eo ihany koa ny tsy fijerena ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina manodidina. Ankoatra ny manorina sy manangana, mandamina ny toeram-ponenana rehetra, fotodrafitrasa ary toerana ifaneraserana izy ireo.
Haikanto sy vavolombelon’ny tantara ny haitaotrano
Manana ny maha izy azy eo amin’ny lafiny tantara sy haikanto ihany koa ny haitaotrano, ankoatra ny maha asa fanorenana sy fananganana azy. Samy manana ny maha izy azy avokoa ny haitaotrano isaky ny vanim-potoana ary niezaka ireo Mpahay mari-trano, tamin’izany fotoana izany, nametraka ny maha izy azy ireo tsirairay avy. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny OAM anefa, tsy manana hapetraka ao anatin’ny tantara ny Mpahay mari-trano ankehitriny, noho ireo olana misy voalaza eo ambony ireo.
“ Lafo sy sarotra ny maka Mpahay mari-trano raha ny fiheveran’ny olona azy”, hoy ny avy eo anivon’ny OAM, ka mahatonga azy ireo tsy haka Mpahay mari-trano. Tsara ho fantatra anefa fa mamaly ny filàn’ny mpanjifa, manara-dalàna sy fitsipika ary azo antoka ny asan’izy ireo. “Mandroso soso-kevitra izahay ho an’ny mpanjifa. Azo atao tsara anefa ny miady hevitra manoloana izany fa tsy voatery io no tanterahina. Tanjonay ny hanome fahafaham-po ny mpanjifa anay.
Fiserana tany sy trano: Mitombo ireo orinasa miantsehatra
Sehatrasa iray anisan’ny miha mahazo vahana eto Madagasikara, tato anatin’ny folo taona farany ny fiserana trano sy tany amidy. Ankoatra ireo olon-tsotra misehatra amin’izany, maro ireo orinasa vao nitsangana niditra teo amin’izany fiserana tany sy trano amidy izany. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivona orinasa iray, miantsehatra eo amin’izany fiserana trano sy tany izany, matihanina sy ara-dalàna ary mahafa-po sy araka izay tadiavin’ny mpanjifa ny eny anivon’ireny orinasa ireny.
« Ny zava-misy, sahalan’ny tsy fisian’ny fotoana sy ny hakamoana hanatona ireny orinasa misehatra amin’ny fiserana tany sy trano ireny no mbola maha vitsy an’isa ny Malagasy manatona ireny karazana orinasa ireny », hoy ny tomponandraikitry ny orinasa fiserana trano sy tany, ka mahatonga azy ireo hanatona olon-tsotra mpanera. Maro anefa ny tombony azon’ny olona amin’ny fanatonana ireny orinasa ireny, raha mitaha amin’ny olon-tsotra. Anisan’izany ny fahazoana fahafaham-po amin’ny trano sy tany vidiana na ofaina. Eo ihany koa ny maha ara-dalàna ny taratasy samihafa, ny fahamoran’ny fifanarahana sy ny ady varotra amin’ny tompon’ny trano.
Lin.