INDRAY MIJERY

Vita ny atrikasa fampidirana ny lalàna momba ny loza voajanahary sy ny fampiharana ireo lesona nianarana tamin’ny vanim-potoanan’ny rivodoza 2022-2023. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana mialoha ny loza, teo amin’ny BNGRC sy ny lehiben’ny delegasiona «Cluster Ocean Indien» ary ny filoha nasionalin’ny Croix rouge malagasy.

Hanao fitokonana eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo ny mpampianatra mpikaroka (Seces) sampana Antananarivo anio, sady hanao fanamiana fotsy mitovy. Mitohy ny hetsika satria tsy mbola nivaly ny fangatahana samihafa.

Mpianatra miisa 80, avy amin’ny Cisco Taolagnaro sy Cisco Amboasary Atsimo, ahitana sokajy U13 lehilahy sy U15 lehilahy sy vehivavy no nandray anjara tamin’ny fifaninanana “Coupe d’Afrique de la fédération scolaire” tao Amboasary, Dren Anosy, ny herinandro lasa teo. Ireo ekipa mpandresy no hisolontena ny Dren Anosy aty Antananarivo.

Nanatanteraka atrikasa fifampizarana momba ny fanatsarana ny fanabeazana ara-tontolo iainana ny tao amin’ny Cisco Ambalavao, ny herinandro lasa teo. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Madagascar National Parc (MNP), ny ONG Tanintsika, ny avy ao amin’ny Rano sy ny ala sy ny Programme Local anti- Erosif (PLE) ny hetsika.

Partager sur: