Kitra – “Orange Pro League (OPL)”: hifampidinihin’ny FMF sy ny CFEM ny fihaonana

Nambaran-dRakotoari­manana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de Foot-ball Elite de Madagascar (CFEM), fa mbola hifampidinihina amin’ny federasiona malagasy (FMF), ny fomba hitantanana ny fifaninanana eo amin’ny “Orange Pro League (OPL)”, ho an’ny taom-pilalaovana 2024. No­tsiahiviny fa ny federasiona no rafitra voalohany miahy sy mitantana ny fifaninanam-pirenena (OPL). “Vaovao ny filohan’ny federasiona ka tsy maintsy mifampiresaka hijerena ny ho tohin’ny fifanarahana eo amin’ny FMF sy ny Orange Pro League”, hoy izy.
Araka izany, ho fantatra amin’ity herinandro ity izay ho fomba hitantanana ny fifaninanana. “Raha ny hevitro aloha, atao vondrona tokana fa tsy ho asiana kaonferansy avaratra sy atsimo intsony ny fifaninanana saingy tsy maintsy hifampierana amin’ireo mpikambana rehetra izany, fa tsy azo atao didin-kofehy lehibe”, hoy i Tôta.
Eo koa ny hahalalana izay ho isan’ny ekipa handray anjara amin’ity OPL ity sy ny amin’ izay ho fitsipiky ny fifaninanana.

Tompondaka

Partager sur: