Mila mijery lavitra

 

Misy antony sy dikany ary vokany politika avokoa izay atao sy lazaina amin’izao? Indrindra ho an’ireo mpanao politika… Tsy inona fa fihazakazahana amin’ny hahazoana fanjakana amin’ny alalan’ny fifidianana. Amin’izany, misy ny liam-pahefana mihoa-pefy na mihazakazaka ivelan’ny lalana. Izay ny zava-misy sy iainana amin’izao? Misy tonga amin’ny fankahalana olona fotsiny izao, fanaratsiana, fanenjehana… Tsy vitan’izany, misy ny efa mibaikobaiko, mandidididy, maneritery, mamendrofendro, mampitahotra… Nefa tsy mbola hita izay inona na akory: fahefana avy aiza, lalàna aiza ho aiza… ?
Misy mihevitra fa rehefa tabatabaina lava ny zavatra iray dia marina, mety, mahasoa… Ho tonga hatraiza? Na za-dratsin’ny teo aloha… Korontanina ny raharaha rehefa tsy mifanaraka amin’izay heverin’ny tena, na ahina tsy hahombiazana na hitera-pahavoazana ho an’ny tena… Ny vahoaka hatrany no atao fitaovana amin’izany? Tsy ahoana izay mety ho fahavoazan’ny vahoaka amin’izany; eny, na hatramin’ny fiainany aza. Ny mpanao politika? Afa-miala moramora, afa-mifanaraka, afa-mangataka famotsoran-keloka… Tsimatimanota? Dia ny vahoaka hatrany no maty tsy manota ho azy amin’izany.
Mandra-pahoviana izany rehetra izany? Ny fomba fanaovana politika no tsy manjary, na ny mpanao politika sasany… Mila fanjakana matanjaka? Na rafitra na Andrimpanjakana matanjaka, olom-panjakana… Eny, hatramin’ny vahoaka matanjaka aza: tsy avoivoy ny zava-mitranga fotsiny, fa mandinika sy mijery lavitra. Iza izy, hanao inona, ho aiza… ? Ny vahoaka no hoe tompom-pahefana. Ampindramina fahefana ihany ny mpitondra, fa izy no manjaka dia ny vahoaka. Mbola manaiky ho azo amin’ny karazana jono, honohono, vono… ? Fandinihan-tena izao, fanapahan-kevitra.

R. Nd.

Partager sur: