Tontosa omaly tolakandro, teny amin’ny Esplanade La Mairie Toamasina, ny lanonana famaranana ny fifaninanana «Nofy Maitso» andiany faharoa. Fifaninanana «Slam poèsie» no notanterahina tao anatin’izao hetsitka izao. Mpiangaly «Slam» maro samihafa, avy amina tanàna sivy no tonga nanome lanja izany. Ankoatra ny famaranana ny fifaninanana, nisy ihany koa ny fampisehoana niarahana tamin’ny mpahay kanto mpihira, avy amin’iny faritanin’ny Toamasina iny.
Fifaninanana «Nofy maitso» andiany faharoa, Fifaninana nentina nanentanana ny olona mahakasika ny zava-misy eo amin’ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny “Slam Poèsie”. Vola mitentina 100 000 Ariary no natolotra ho an’ny mpandresin’ity fifaninanana ity. Raha tsiahivina, nahatonga solontena nandray anjara tamin’izany ny mpiangaly Slam avy eto Antananarivo, Antsirabe, Mahajanga, Sambava, Ambositra, Mananjary, Fianarantsoa ary Toamasina mpampiantrano. Ankoatra ny fifaninanana natao, nandritra ny herinandro, nisy ihany koa ny atrikasa fampianarana sy fampiofanana fanodinana fako ho fitaovana afaka hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro. Raha tsiahivina, tanjon’ny hetsika ny hanabe sy hampahafantatra ary hampatonga saina ny olona ny zava-misy eo amin’ ny tontolo iainana sy ny fahasimbany amin’ny alalan’ny haikanto.
Lin