Maty voatifitry ny polisy ny dahalo mpangalatr’omby iray tao amin’ny fokontany Anjoro, kaominina ambonivohitra Mahabo, afakomaly. Naka omby miisa valo ny dahalo dimy lahy nitam-piadiana. Raikitra ny fanarahan-dia ka niafara tamin’ny fifandonana izany. Tafaverina amin’ny tompony kosa ireo omby.
Lehilahy iray, nahatrarana rongony 67 kg, saron’ny mpitandro filaminana tao Mahabodo, kaominina Zazafotsy, disitrikan’i Ihosy, Faritra Ihorombe, ny faran’ny herinandro teo. Dimy lahy no tsikaritry ny zandary nitondra gony. Nanao tongotra an-katoka avy hatrany anefa ny efatra raha toa ka sarona niaraka tamin’ny entana ny iray.
Mpisoloky iray voasambotry ny mpitandro filaminana tao Anjiro, Moramanga, ny zoma 19 oktobra teo. Nifanaraka tamin’ny mponina tao Marovitsika, kaominina Belavabary izy ka nilaza ho manana mercure. Sandaina 6 000 000 Ar ny litatra amin’izany ary olona roa tafaroboka. Nanome vodiondrim-barotra 3 000 000 Ar izy ireo. Nandrasan’ireo nifanaraka taminy io mpisoloky io ny zoma teo. Nitondra baoritra lehibe izay nampanahy ny manodidina izy. Nosamborina ka hazo nofonosana tanimanga io nentiny io.
Raim-pianakaviana nandrahona basy poleta voasambotra tao Ambohibato, fokontany Tsarafiraisana, kaominina Ambano, Antsirabe II, afakomaly. Nifamaly tamin’ny mpamboly iray ao anatin’io fokontany io izy. Velon-taraina teny anatrehan’ny mpitandro filaminana anefa io mpamboly io noho ny ramatahora nataon’ilay nitazona basy tsy ara-dalàna. Nentina hatao famotorana ity farany.