Nandray ny andraikiny avy hatrany izy. Ny tenany no nahazo ny naoty ambony indrindra tamin’ireo telo niatrika ny fanadihadiana nataon’ny vaomiera misahana ny fanendrena DTN, eo anivon’ny FMVB. Vaomiera izay notarihin’ ny filohan’ny federasiona, Raharimalala Léa, Randrianilaina Bakoly Harisoa Clarisse, filoham-boninahitra, Rason Olivier, mpanolotsaina teknika, Raharinjoelina Fetison Hajatiana, sekretera jeneraly, Randriamiarinoro Mick Jagger tomponandraikitra teknika.
Laharam-pahamehana ho an’ity tale teknika nasionaly ity ny famerenan-daza indray ny taranja volley-ball ka haverina lalaovina eny an-tsekoly sy eny amin’ny anjerimanontolo. Manaraka izany, ny fitsirihana ireo tanora hanolo toerana ireo zokiny sy ny fampitomboana ireo fifaninana amin’ ireo sokajin-taona efa misy. Ankoatra izay, omena vahana ny fitsirihana sy fampivondronana ireo solontena isam-paritany ho an’ny sokajy U23 ary ny fampiofanana ireo mpanazatra, hahazo ny lenta iraisam-pirenena.
Tsiahivina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara izay hatao any Mahajanga, manomboka ny 27 oktobra izao, ny fandaharam-potoana manaraka miandry ny federasiona malagasin’ny Volley-ball.
Mi.Raz