Zava-doza! May ny filahian-drangahy sy ny tratrany ary ny tarehiny. Notondraham-badiny rano mangotraka izy tamin’ny alahady, teny Andrianalefy, fokontany Androhibe, boriborintany fahadimy.
Nivadika ho herisetra ny adin’ny mpivady, monina eny Andrianalefy, fokontany Androhibe, ao anatin’ny boriborintany fahadimy, tamin’ny alahady tolakandro teo. Notondrahan’ilay renim-pianakaviana rano mangotraka ny vadiny, nandritra ny fifamaliana. Vokany, may ny vatany iray manontolo. Niendaka avokoa ny hoditra teo amin’ ny maha-lehilahy azy, ny tapany ambony hatreny amin’ny tavany.
Efa tsy nifankahazo, miady matetika izy mivady, araka ny filazan’ny manodidina. Ny alahady, tokony ho tamin’ny 1 ora, tonga tao an-trano Ralehilahy. “Hijery ireo zanakay vavikely roa no nahatongavako tao an-trano satria roa andro tsy nody fa nijanona tany amin’ny mpampiasa ahy”, araka ny nambarany. Nandritra izany, nisy niantso tampoka ny findain-dramatoa. Nanomboka ny fifandirana. Norarafan’ny vadiny rano mangotraka rangahy. “Mety rano efa nomaniny mihitsy io rano io”, hoy hatrany ity lasibatra.
Nandositra ilay ramatoa rehefa avy nanondraka rano mangotraka. “Niezaka niantso izay ankizy manodidina nanavotra ahy sisa hany azoko natao”, hoy hatrany ny fanamafisan’ilay raim-pianakaviana nanaovana fanadihadiana. Niezaka nanavotra azy, nitondra teny amin’ny mpitsabo nanalefaka ny fahavoazana ny mpiray vodirindrina sy ny mponina teny an-toerana.
Tsiferana R.