Ny Malagasy irery ihany no manana ireto fahendrena ireto : « Ny fanahy no maha olona », « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha », « Ny hery tsy mahaleo ny fanahy ». Kanefa, ny Malagasy tompony indray no tsy mahalala na tsy miaina azy ireny. Ao ireo miteniteny fahatany ka mampiasa izany amin’ny tsy tokony ho izy akory. Miharihary be tahaka ny tafika andrefan-tanàna io tranga io.
Tsy izay rehetra mahavita tsianjery ilay lesona tany amin’ny kilasy fahaefatra milaza fa : « ny fanahy dia fitaovana hoenti-miahy », dia hiteny fa manaja ireo fahendrena malagasy ireo. Tsia ! Ny tsianjery vita ihany fa ny miaina azy ireny, tsy mora. « Ny fanahy no maha olona », kanefa, ilay olona milaza izany aza tsy mahatandrina ny fady fa miletra henam-biby mitrongy. « Ny hery tsy mahaleo ny fanahy », kanefa, izy mitatatata izany aza, tsy mahafantatra akory fa ny fananany hery (vola, sandry be, saina tsy voafehy…), no nahatonga azy niteny an’io. Mikarantsana ery ny vava milaza fa « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha », kanefa, ilay Zanahary ambara eto aza tsy fantany akory. Eritreretiny fa ilay nampidirin’ny eoropeanina teto !
… Be loatra ny tranga tahaka ireo, hany ka ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy no ambara fa tsy sahaza izao vanim-potoana izao intsony. Mbola maro ny Malagasy mahatandrina ny fady. Tsy azo « tsapatsapaina », satria, masim-bava miteny, masin-tana-mandray ! Mbola maro ny toerana sy ny tany manana ny hasiny. Tsy azo « vazivaziana » !…
… Raha io fitenitenenana fahatany io no mitohy, sanatriavina, halaim-panahy ny Malagasy hilaza fa tsy mandaitra ny ozona, ny tsodrano, sns. Aleo tsy miloa-bava rehefa tsy mahay sy tsy mahafantatra. Mianatra sy mandalina aloha, vao miteny !
HaRy Razafindrakoto