Vonona hanolo-kevitra sy hamaha ny olan’ny fifidianana ireo administratera sivily (Synad), araka ny nambaran’izy ireo tetsy Anosy, omaly. Niantso ny hitadiavana fitoniana ary vonona hanao ny asany tsy mitanila izy ireo. “Tsy tokony hafangaro ny propagandy sy ny fanehoan-kevitra politika ary ny fihetsiketsehana”, hoy izy ireo.
Mitaky ny hirosoana amin’ny dinika ny Federaslista, araka ny fanambaran’izy ireo, omaly. “Ny fifampiresahana ihany no ahitana vahaolana. Manohana tanteraka ny fitakiana ataon’ny vondron’ireo kandidà koa izahay mba hiverenana amin’ny ara-dalàna. Mitsipaka kosa ny fifidianana, hiteraka korontana eto amin’ny firenena”, hoy izy ireo.
Nametraka fitoriana eny amin’ny HCC indray ny mpisolovava ny kandidà Raobelina Andry, omaly. Nambaran’izy ireo fa ahemotra ny fifidianana raha toa ka misy fahafatesan’ny kandidà na koa misy ny tranga tsy azo anoharana voamarina. “Mbola tsy afaka mandeha fiaramanidina ao anatin’ny 30 andro ny kandidà-nay”, hoy izy ireo.
Hifamotoana ao amin’ny Magro Andaboly, isaky ny alarobia sy ny sabotsy, ny mpiara-dia amin’ny vondron’ny kandidà, any Toliara. Araka ny voalaza an’
ireo ray aman-dreny mitarika ny hetsika any an-toerana.