ODD : Tsy ho foana ny fahantrana amin’ny 2030

Ankalazaina isaky ny 17 oktobra ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny fahantrana. Saingy tsy mety foana izany, fa vao maika aza hitombo any amin’ny firenena tena mahantra toa an’i Madagasikara.

Araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny 22 oktobra 2023 teo, mbola miaina latsaky ny 6,85 dolara, izany hoe 30.000 Ar isan’andro, ny 50% amin’ny olombelona maneran-tany. Manodidina ny 700 tapitrisa, ankehitriny, ny olona miaina ao anaty fahantrana lalina, zara raha mahita 2,15 dolara na 9.675 Ar isan’andro.
Mbola latsaka ambany noho io 9.675 Ar io ny iainan’ny Malagasy, satria 536 dolara isan-taona no fidirambolan’ny isan’olona (PIB), izany hoe 1,48 dolara na 6.600 Ar isan’andro.
Manoloana ireo, milaza mialoha ny Banky Iraisam-pirenena, fa tsy ho tratra velively ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra (ODD), napetraky ny firenena Mikambana (ONU), hanafoanana ny fahantrana amin’ny taona 2030. Tsiahivina fa efa tsy tanteraka io tanjona io tamin’ny taona 2015, ary izao tsy ho tratra fanindroany izao indray.
Mahantra 600.000 fanampiny

Raha ny vinavinan’ny Banky Iraisam-pirenena, vao maika hitombo ny isan’ny mahantra, ka hiampy 600.000 fanampiny. Tena voakasik’izany firenena tena mahantra, toa an’i Mada­gasikara, indrindra ny any ambanivohitra sy ny firenena tratry ny ady an-trano. Milaza ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Unicef, fa ankizy ny maherin’ny 50% amin’ny olona tena mahantra, nefa 31% amin’ny fitambaran’ny mponina izy ireny raha ny salanisa ankapobeny.
Nilaza ny tale iraisam-pirenena mikasika ny fahantrana sy ny tsy fitanilana ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena, Luis-Felipe Lopez-Calva, fa mila paikady marolafy ny fanafoanana ny fahantrana. Mila miezaka ny firenena tsirairay amin’ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fotodrafitrasa fototra. Mite­raka asa ho an’ny mponina izany, ary tokony hampandroso ny toekareny ny mpitondra, sady miaro ny fianakaviana sahirana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: