Hanomboka rahampitso ka hatramin’ny sabotsy 28 oktobra izao ny “Salon de la créativité Voatra”, andiany faha-10, atao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Hetsika hanehoana ny fivoaran’ny vokatra nataon’ireo mpandraharahara tohanan’ ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostrian’Antanaarivo (CCIA). “Tanjona ny hampahafantatra ireo orinasa madinika sy salantsalany nahavita nanao zavatra sy nampiroboroboro ny fahaiza-manaony tao anatin’ny 10 taona. Fa indrindra hanandratra ny vita malagasy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Antananarivo, Rakotondrasanjy Rivo, omaly, tetsy Antanimena..
Hetsika ara-barotra entina hampandrosoana ny faritra Analamanga sy ireo distrika valo mandrafitra azy ny “salon de la créativité Voatra”. Tafiditra ao anatin’izay ny ovam-pivoarana ara-toekarena amin’ny fampiroboroboana ny vokatra malagasy. Hisy ny varotra fampirantiana fampihaonana an’ireo mpandraharaha mandritra ny efatr’andron’ny hetsika. Hizara traikefa sy hijoro vavolombelona tamin’ny lalana nodiavina ireo mpandraharaha nahazo tohana tamin’ny CCIA hatramin’izay.
Henintsoa H.