Tratra ny tanjona tamin’ny fikarakarana ny « Salon internalational de l’habitat » (SIH) andiany faha-25, natao tetsy amin’ny Forello, expos Tanjombato. Mihoatra ny 15 000 ireo mpitsidika tonga teny an-toerana nandritra ny efatr’andro nanaovana ny hetsika. « Samy afapo na izahay mpikarakara na ireo mpandray anjara. Nahita tombony sy nahita lalam-barotra ary nahalafo entana avokoa ireo mpandraharaha samihafa », hoy Ramanantsoa Harilala, mpikarakara ny hetsika. Nisitraka sy nanararaotra fihenam-bidy tamin’ny jobily faha-25 taona an’ity tsenabe iraisam-pirenena ity ny mpitsidika rehetra, hoy hatrany ny fanazavana voaray nandritra ny lanonam-pamaranana ny hetsika, ny alahady teo, teny an-toerana. Nisy ny mari-pankasitrahana natolotra ho an’ireo mpandray anjara tsy tapaka hatramin’ny fotoana nisian’ny tsenabe iraisam-pirenanan’ny taotrano. Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpandray anjara vaovao sy ireo tranoheva nahafa-po ny mpitsidika. Miisa 60 ireo nahazo fankasitrahana ka misy amin’izy ireo no mpiara-miombon’antoka nandritra ny dimy ka hatramin’ny 10 taona.
Hatsaraina
Hivoatra manaraka ny taona hatrany ny hetsika « salon international de l’habitat ». Hisy ny fampahafantarana bebe kokoa an’ireo mpandray anjara mba hiomanan’ireo mpitsidika mialoha. Hampitomboina ihany koa ireo mpandray anjara mba hisian’ireo karazam-bokatra eo amin’ ny tontolon’ny taotrano. Tsiahivina fa mihoatra ny 120 ireo mpandray anjara tamin’ny hetsika izay natao ny 19 ka hatramin’ny 22 oktobra teo.
Henintsoa H.