« SNISE en ligne »: Teknolojia niomerika amin’ny fitantanan- draharaha

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fitaovana « SNISE en ligne ». Fia­raha-miasan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny UNFPA, entina hanavaozana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Rafitra nasionaly hanombanana ara-informatika ny « SNISE en ligne » eo ambany fiahian’ny fitantanana jeneralin’ny Toekarena sy ny tetibola (DGEP), entina hanaraha-maso sady hanombanana ny fandaharanasan’ny governemanta.
Efa nampiasaina nanomboka ny taona 2008 ny SNISE, ary izao nohavaozina izao.
Nilaza ny minisitry ny Toe­karena sy ny tetibola (MEF), Rtoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, fa anisan’ny fanavaozana lehibe ao amin’ny minisitera ny fampiasana ny niomerika. Maro ny asa hataon’ny MEF hampahomby azy, indrindra ireo tomponandraikitra ao amin’ny fandrindrana sy ny fanombanana isaky ny minisitera.
Mazava sady mangara­hara ny asa hatao amin’ny « SNISE en ligne », eo amin’ny governemanta sy ny mpisehatra ho an’ny fampandrosoana isan-tsokajiny.
Fitaovana niomerika vaovao hanamafisana ny fomba fiasa mba hahomby sy ahazoana vokatra tsara ary iraisan’ny rehetra.

Njaka A.

Partager sur: