Navoaka tao Fianarantsoa, ary efa azon’ny rehetra, indrindra ireo mpianatra sy mpampianatra eo anivon’ny Oniversite, jifaina ny boky «Sokela, La parole du Sud», notontosain’ny Pr Rasamoelina Henri. Edisiona faha-11 amin’ity boky ity izao natonta izao. Boky 300 pejy, ahitana lahatsoratra manodidina ny 30 isa, nosoratana Malagasy mpandalina sy mpikaroka maro samihafa, ity edisiona faha-11.
Lahatsoratra maneho ireo zava-misy misongadina sy iainan’ny Malagasy ankehitriny no voaresaka ao anatin’ity «Sokela, La parole du Sud». Anisan’izany ny an-dRandrianjafy Solofo Théodore, manam-pahaizana momba ny lalàna, nampitondrainy ny lohateny hoe «Le recouvrement des avoirs illicites à
l’étranger : un mirage ou un désespoir». Eo ihany koa ny lahatsoratry ny Pr Rakotoarivelo Anselme sy Ratsimandisa Zo, nampitondrainy ny lohateny hoe «Objectifs sous-jacent de l’évangélisation et du développement : genre, paix et sécurité». Hita ao ihany koa ny lahatsoratr’i Toziny Viva Eliana sy Rejela Moratafy Christian ary Fitahia Miller, nampitondrain’izy ireo ny lohateny hoe «Justice communautaire et règlement de comptes : conséquence du Dinabe sur l’insécurité alimentaire dans le Sud Ouest de Madagascar». Ankoatra ireo, mbola maro ireo mpikaroka nandefa ny lahatsoratra mirakitra ny voka-pikarohany ao amin’ity boky ity.
Lin